🗓️13 Jolay 2026
📍Toamasina – Faritra Atsinanana
Tᴏᴀᴍᴀsɪɴᴀ : Fᴀᴍᴇᴛʀᴀʜᴀɴᴀ ᴀᴍɪɴ’ɴʏ ғᴏᴍʙᴀ Oғɪsɪᴀʟʏ ɴʏ Tᴀʟᴇᴍ-ᴘᴀʀɪᴛʀᴀ ᴍɪsᴀʜᴀɴᴀ ɴʏ Fᴀɴᴀᴠᴀᴏᴢᴀɴᴀ ᴀᴏ Aᴛsɪɴᴀɴᴀɴᴀ sʏ Aɴᴀʟᴀɴᴊɪʀᴏғᴏ
🇲🇬✨ Notanterahina ny13 Jolay 2026 tao Toamasina ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ireo Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana : Rtoa RASOANAMARY Voizy Blandine ho an’ny Faritra Atsinanana ary Rtoa ANDRIANANDRAINA Aldine Bernadette ho an’ny Faritra Analanjirofo.
🤝 Nitarika ny lanonam-panjakana ny Minisitra Misahana ny Fanavaozana, Maître Hanitra Razafimanantsoa. Nanatrika ny lanonana ihany koa ireo Solombavambahoaka, ny Préfet, ny Lehiben’ny Faritra Atsinanana, ny Ben’ny Tanànan’i Toamasina I ary ireo olo-manankaja ambony maro ao amin’ny Faritra Atsinanana.
🌱 Nasongadin-dRamatoa Minisitra fa ao anatin’izay sivy volana monja izay dia efa maro ireo asa vita sy natomboky ny Minisitera Misahana ny Fanavaozana, ary tsy voafetra amin’ny Fikaonandoham-pirenena irery ny fanavaozana. Nohamafisiny fa ny FFKM no hitantana ny Fikaonandoham-pirenena, raha hanohy hanohana azy ara-teknika sy ara-pitaovana kosa ny Minisitera.
💪 Namporisika ny rehetra izy hanohana ireo Talem-paritra roa vaovao, hanamafy ny ady amin’ny kolikoly, ny tamberin’andraikitra ary ny fanavaozana eny amin’ny Fokontany, Kaominina, Distrika ary Faritra. Nambarany ihany koa fa miankina amin’ny fiaraha-mientan’ny Malagasy rehetra ny fahombiazan’ny Fanavaozana.
🗣️ Nandritra ny lanonana dia samy nanamafy ireo tompon’andraikitra fa andraikitra masina sy lehibe ny fanavaozana ny Repoblika, ka manomboka amin’ny fiovan’ny toe-tsain’ny tsirairay izany, ny fanajana ny fomba amam-panao, ny ady amin’ny kolikoly ary ny fanamafisana ny raharaham-panjakana. Naneho ihany koa ny fahavononany ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo hiara-hiasa amin’ny fanatanterahana ny vina nasionaly.
🇲🇬 Ny Fanavaozana dia andraikitry ny rehetra.