📍 12 Jolay 2026 | Ambahiboho, Ambatondrazaka – Faritra Alaotra Mangoro
⛺ Lasy Tily Ravinala 157
Nandritra ny Lasy Tily Ravinala 157 dia nanamafy ny fanoloran-tenany ireo SkotoTily amin’ny fanompoana ny Tanindrazana sy ny fandraisana andraikitra ho amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. 🤝🇲🇬
Nisongadina nandritra ny famelabelarankevitra ny fanabeazana sy ny fampiroboroboana ny vina momba ny fiarovana ny tontolo iainana 🌱, ny ady amin’ny kolikoly ✊, ny fanajana ny fananam-pirenena sy ny fitsipika iombonana, ny fahatsapana ho tompon’andraikitra ary ny fitantanana tsara ny fahefam-panjakana.
Notanterahina niaraka tamin’ny Minisitera Misahana ny Fanavaozana (MCR) ny hetsika.