
Fitsidihana iarahana amin’ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta tarihin’ny Praiminisitra Atoa Rajaonarison Mamitiana, ka isan’ireo nitsena azy teny am-pahatongavana ny Minisitra Misahana ny Fanavaozana, Maรฎtre Hanitra Razafimanantsoa. Ity fitsidihina izay ho atao ity moa dia hifantoka amin’ny fanaraha-maso ny ady amin’ny kolikoly, ny famatsiana herinaratra ao Toamasina sy ny manodidina, ny fanamafisana ny fandriampahalemana ary ny fanafainganana ny asa fanarenana ny Faritra Atsinanana taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani .
