πŸ“ŒFarafangana | 07 Jolay 2026
🀝 π…π’π‘πšπ¨π§πšπ§πš 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐧𝐝𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐒𝐚𝐫𝐚𝐑𝐚-𝐦𝐒𝐚𝐬𝐚 𝐑𝐨 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐦𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 π…π’π€πšπ¨π§πšπ§ππ¨π‘πšπ¦-𝐩𝐚𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚
πŸ“Nisy ny fihaonana teo amin’ny ny Talem-paritry misahana ny Fanavaozana Atsimo Atsinanana Atoa Iotokarozy sy ireo mpikambana FFKM eo anivon’ny Faritra Atsimo Atsinanana handrindrana ny fiaraha-miasa amin’ny fanatanterahana ny Fikaonandoham-paritra.
πŸ—’οΈNandritra ny fihaonana dia nohazavaina ny asa efa vita sy ny paikady hapetraka mba hahombiazan’ny fikaonandoha eny ifotony, izay hahakasika fokontany 804, kaominina 98, distrika 5 . Nampahafantarina ihany koa fa ireo mpikambana FFKM nanatrika dia misahana ny Distrikan’i Farafangana ihany, ka hisy fihaonana hataon’Andriamatoa Talem-paritra amin’ireo mpikambana FFKM ao Vondrozo sy Vangaindrano (Vangaindrano, Midongy Atsimo ary Befotaka Atsimo) mba hitovian’ny fahalalana sy ny fomba fiasa.
πŸ‘‰Ny asa natao izany dia nifantoka bebe kokoa tamin’ny fandrindrana sy fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Talem-paritra sy ny FFKM ho fanomanana ny Fikaonandoham-paritra. Vokatr’izany dia nifanarahana ny hanamafy ny fifampidinihana sy ny fifanatonana matetika ary hiandry ny fiofanana hokarakarain’ny FFKM Foibe sy nyn toromarika avy amin’ny Ministera alohan’ny hanombohana ny asa eny ifotony. Izany rehetra izany dia hanamafy ny firindrana sy ny fahavononan’ireo mpisehatra rehetra, ka hampitombo ny fahombiazan’ny fanatanterahana ny Fikaonandoham-paritra manomboka eny anivon’ny fokontany ka hatrany amin’ny ambaratongam-paritra.πŸ‡²πŸ‡¬πŸ‡²πŸ‡¬
#MCR#Fanavaozana