π…πˆπ•πŽπ‘πˆπ€ππ€ πƒπˆππˆπŠπ€π’π€ π’π˜ π…π€πŒππˆπŽπ…π€ππ€ππ€ πˆπ‘π„πŽ π…πˆπ‹πŽπ‡π€πŒ-ππŽπŠπŽππ“π€ππ˜ πŒπˆπ€π‹πŽπ‡π€ 𝐍𝐘 π…πˆπŠπ€πŽππ€ππƒπŽπ‡π€πŒ-ππˆπ‘π„ππ„ππ€

πŸ“Farafangana-Faritra Atsimo Atsinanana
πŸ—“οΈ07 Jolay 2026
π…πˆπ•πŽπ‘πˆπ€ππ€ πƒπˆππˆπŠπ€π’π€ π’π˜ π…π€πŒππˆπŽπ…π€ππ€ππ€ πˆπ‘π„πŽ π…πˆπ‹πŽπ‡π€πŒ-ππŽπŠπŽππ“π€ππ˜ πŒπˆπ€π‹πŽπ‡π€ 𝐍𝐘 π…πˆπŠπ€πŽππ€ππƒπŽπ‡π€πŒ-ππˆπ‘π„ππ„ππ€
🎯Notanterahina ny 07 Jolay 2026 tao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Farafangana ny fivoriana dinikasa sy fampiofanana ho an’ireo filoham- pokontany miisa 24 sy ireo Komity Mpanatanteraka ny Dina (KMD), ho fanomanana ny fanatanterahana ny Fikaonandoham-pirenena eny anivon’ny Fokontany.
πŸ‘‰Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Lefitry ny Ben’ny TanΓ na,ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana Atsimo Atsinanana Atoa Iotokarozy izay samy nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-mientan’ny rehetra amin’ny fahombiazan’ny fikaonandoham-pirenena.
πŸ˜€Nasongadina nandritra ny fotoana ny fanazavana mikasika ny fomba fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena eny ifotony. Vokatr’izany, nahazo fahatakarana mazava ireo mpandray anjara ary naneho ny fahavononany hitondra sy hanatanteraka izany amim-pahombiazana eny anivon’ny Fokontany.πŸ‡²πŸ‡¬πŸ‡²πŸ‡¬
#MCR# Fanavaozana
# Fifanajana
# Fanolorantena