πŸ“Matsiatra Ambony | πŸ—“οΈ 07 Jolay 2026
π…πˆπŠπ€πŽππ€ππƒπŽπ‡π€πŒ-ππ€π‘πˆπ“π‘π€ 𝐍𝐘 π…πˆπŠπ€πŒππ€ππ€π’𝐍𝐘 π…πˆπ€π‘π€π‡π€πŒπŽππˆπŒ-ππˆπ‘π„ππ„ππ€ (πŽπ’π‚)
πŸ“†Notanterahina ny 07 Jolay 2026 ny andro voalohan’ny Fikaonandoham-paritra hoan’ ny Fikambanan’ny Fiarahamonim-pirenena (OSC) tao Matsiatra Ambony.
🀝Sehatra iray manamafy ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena sy ny fikambanana amin’ny famolavolana vahaolana maharitra ho an’ny fampandrosoana ny firenena izy ity.
Nifantoka tamin’ny famakafakana ireo olana fototra sy ny antony lalina manakana ny fampandrosoana ny dinika, mba hametrahana soso-kevitra sy vahaolana mifototra amin’ny zava-misy eny ifotony.
πŸ—£οΈNandray anjara mavitrika tamin’izany ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana Matsiatra Ambony Ramatoa Stella Razanamahefa.
πŸ‡²πŸ‡¬ Dinika izay maneho ny fanoloran-tenan’ny Minisitera Misahana ny Fanavaozana hanamafy ny fiaraha-miasa sy ny fifanakalozan-kevitra miaraka amin’ireo Fikambanan’ny Fiarahamonim-pirenena sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra, ho fanohanana ny dingan’ny Fikaonandoham-pirenena.
#MCR#Fanavaozana
# Fifanajana