π“π„π“πˆπŠπ€π’π€ π‘πŽπ€ π‹π„π‡πˆππ„ 𝐍𝐎 π‡πŽπ“π€ππ“π„π‘π€π‡πˆππ€ π€ππ˜ 𝐀𝐍-π“πŽπ„π‘π€ππ€

πŸ“Ambovombe Androy
✈️Atomboka tsy ho ela ny asa fanamboara ny seranam-piaramanidina ao Ambovombe Androy ary efa tonga tany an-toerana ny Tale Jeneralin’ny ADEMA sy ny ekipa teknika nijery ny fomba hanatanterahana izany tetik’asa izany
πŸ’¦ Efa nodinihina amin’ireo teknisiana ihany koa ny toerana hametrahana ny ozinina hanova ny ranomasina ho rano fisotro madio ao Tsirangoty-Ekonka.
πŸ‘₯Manaraka akaiky ny fizotry ny fanatanterahana ireo asa ireo ny talem-paritra misahana ny Fanavaozana ao an-toerana Atoa Miha Jaonasitera sy ireo tompon’andraiki-panjakana any an-toerana toy ny Lehiben’ny Faritra, ny PrΓ©fet sy ny Talem-paritra maromaro nanampy azy ireo tamin’ny fijerena ny pitsopitsony indrindra fa ny mety ho fanamorana amin’ny lafiny fananantany.
#fifanajana#FiarahaMientana#fanolorantena