Nanomboka ny 01 Jolay ka hatramin’ny Asabotsy 04 Jolay 2026, dia nidina ifotony nitety ireo kaominina enina ao amin’ny Distrikan’i Tolagnaro ny Talem-paritry ny Fanavaozana Anosy Livera Bevazaha. Anisan’ireo notsidihina ny Kaominina Ambanivohitra Mandromondromotra, Ampasy Nahampoana, Mahatalaky, Iaboakoho, Manantenina ary Soavary.
Ny tanjon’ny fidinana ifotony dia ny hitondra fanazavana momba ny Fanavaozana sy ny Fikaonan-doham-pirenena, izay ho dingana lehibe entina mampandroso ny Fanavaozana eto Madagasikara.
Nohazavaina nandritra ireo fihaonana fa ny Fikaonandoham-pirenena no hitondra ho amin’ny Fanavaozana. Efa miomana amin’izany ny faritra, ka ny FFKM, amin’ny maha-Raiamandreny ara-panahy azy, no hisahana ny fitarihana ny Fikaonandoham-pirenena, raha ny Minisitera misahna ny Fanavaozana kosa no mpitantsoroka sy miantoka ny fandrindrana ny fanatanterahana izany.
Naneho ny fahavononany handray anjara sy hiara-hisalahy amin’ny fanatanterahana ny Fikaonandoham-pirenena sy ny ezaka Fanavaozana ireo mponina tao an-toerana.