
ππ’π¨π―π ππ§ππ«π’π€π π§π² πππ§ππ€π¨π«π¨π§πππ§ππ§π ππππ¨π§’π’π«ππ¨ πππ‘ππ―ππ₯π¨π¦-π©π’π«ππ§ππ§π.
πππ§ππ«ππ² π§π² πππ©πππ«π π«ππ‘πππ«π π¦π’πππ§ππ«ππ€π ππ¦π’π§’π’π³ππ§π² π§π² π
π’ππ¨π§ππ«ππ¦-π©ππ§π£ππ€ππ§π π‘π’ππ«π¨π―ππ§π π§π² π―ππ‘π¨ππ€π.

Niova endrika ny fanakorontanana ataon’ireo fahavalom-pirenena, hoy ny fanazavana nentin’ny Minisitera 5 voakasiky ny raharaha mamaivay ankehitriny mikasika indrindra ny fanafihana mitam-piadiana, ny fahaverezan-jaza, ary herisetra atao amin’ny olona manana toe-tena varira nandritra ny valandresaka notanterahina teny Anosy androany 5 Jolay.

Raha fitokonana sy fanakanan-dalana no endrika nahazatra teo aloha, dia efa miantefa mivantana amin’ny ain’ny olona izany ankehitriny.

Nambaran’ny fitondram-panjakana fa mampametra-panontaniana ny firongatry ny tranga tato anatin’ny herinandro vitsivitsy, ka izany indrindra no anton’ny fanazavana ampahibemaso natao mba hampahafantarana ny vahoaka ny tena zava-misy sy hanomezana toky fa tsy mipetra-potsiny ny fanjakana.

Nohamafisina fa hampiasaina avokoa ny fahefam-panjakana rehetra hamongorana ireo tambajotra mikendry ny fanakorontanana ny filaminam-bahoaka.
Raha ny fantatra dia taorian’ny 24 Jona no tena nitombo ny tranga fanafihana mitam-piadiana sy fahaverezan-jaza.

Omaly fotsiny, fanafihana efatra no voarakitra, ary ny fanadihadiana natao dia nahitana fa basy iray ihany no nampiasain’ireo jiolahy tamin’ireo tranga ireo. Manamafy ny ahiahy izany fa misy fanakorontanana voalamina sy niniana natao. Olona sivy hatramin’izao no efa voasambotra, ka jiolahy iray no maty voatifitra nandritra ny fifandonana. Efa misy koa ireo voatazona sy anaovana fanadihadiana mifandraika amin’ny tranga hafa, anisan’izany ny raharaha nitranga teny Ilanivato.

Etsy ankilany, nohamafisina ny fisafoana iarahan’ny EMMO sy ireo mpitandro ny filaminana manerana ireo toerana heverina ho saro-pady.
Miara-miasa akaiky amin’ny fokontany, vaomiera ary ireo olom-pirenena tsara sitrapo koa ny mpitandro filaminana amin’ny fanangonana vaovao sy fisorohana ny asa ratsy.

Momba ny ady amin’ny fiarovana ny olona manana toe-tena varira indray: nohamafisin’ny Minisiteran’ny Mponina fa tsy azo ekena ny herisetra atao amin’ny ankizy, ary andraikitry ny ray aman-dreny, ny fanjakana, ny sekoly, ny fiarahamonina ary ny olom-pirenena tsirairay ny fiarovana azy ireo.

Tranga fito mahakasika ny olona manana toe-tea varira no voarakitra hatramin’ny fiandohan’ny taona, ka efatra no niafara tamin’ny fahafatesana.

Olona 33 no efa voarohirohy tamin’ireo raharaha ireo, ary misy efa naiditra am-ponja.

Manentana ireo Ray aman-dreny hiara -hiasa amin’ny Fanjakana ny minisitera . Antsoina izay manana fianakaviana varira hanatitra azy ireny eny amin’ny Β Β» centreΒ Β» mba hahamora ny fiarovana azy.

Ankoatra ny fanentanana ny fiarovana ny ankizy sy ny fampahafantarana ny zony dia vaindohan-draharahan’ny minisitera koa ny fanomezana fanohanana ara-tsaina, ara-tsosialy ary ara-dalΓ na ho an’ireo ankizy sy fianakaviana voakasika.
Manentana ny olom-pirenena raha sendra olana ny minisitera hiantso ny laharana maitso 147 sy ny laharana 038 18 841 43 handraisana ny filazana sy ny fampandrenesana.

Mikasika ny raharaham-pitsarana indray dia efa napetraka ny rafitra « traitement en temps rΓ©elΒ Β», ahafahan’ny Fampanoavana sy ny mpanao fanadihadiana miara-miasa akaiky mba hanafainganana ny fikarakarana ireo raharaha lehibe. Toromarika hentitra no nomena mba hahatonga ireo raharaha mahakasika ny fanafihana mitam-piadiana, ny fakΓ na an-keriny, ny famonoana olona ary ny herisetra atao amin’ireo olona manana toe-tena varira hotsaraina haingana sy hampiharana sazy mifanaraka amin’ny lalΓ na.

Namarana ny valandresaka ny fitondram-panjakana tamin’ny antso ho an’ny olom-pirenena mba ho mailo sy tsy hisalasala hampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana rehefa misy tranga mampiahiahy.
Nampanantena koa ny fanjakana fa horaisina ny fepetra rehetra hiantohana ny filaminana, indrindra amin’izao fanadinana BEPC sy BEP izao.

Mazava ny hafatra nambaran’ny fanjakana manoloana ny zava-misy. Niova endrika ny fanakorontanana ataon’ireo fahavalom-pirenena, saingy tsy handefitra ny fitondram-panjakana. Hamafisina ny fiaraha-miasan’ireo minisitera rehetra, hampiasaina ny fahefam-panjakana ary horaisina ny fepetra rehetra hiarovana ny ain’ny vahoaka sy hamerenana ny filaminana manerana an’i Madagasikara.