🗓️4 jolay 2026
📍 Ivandry
🎉10 taona nisokafan’ny masoivohon’ny Repoblikan’i Korea teto Madagasikara: Nankalazaina tamin’ny alalan’ny mozika nentim-paharazana koreana
🎷Kaonseritra fampiraisana ny mozika nentim-paharazana koreana » izay niangalian’ny mpanakanto Koreanina 8 no nanamarihana ny faha-10 taona nisokafan’ny masoivohon’ny Repoblikan’i Korea eto Madagasikara. Hira sy mozika miisa 13 no niangalian’ireo mpanakanto koreanina ao anatin’ny vondrona « Sanare ».
👥 Manam-pahefana sy olo-manan-kaja maro no tonga nanome voninahitra ny fotoana tetsy Ivandry. Anisan’izany ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, Mamitiana Rajaonarison, ny Filohan’ny Antenimieran-doholona mpisolo toerana, Jean André Ndremanjary, sy mpikambana maromaro eo anivon’ny Governemanta.
👉Namaly ny fanasana ihany koa ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, maître Hanitra Razafimanantsoa. Tanora maro ihany koa no nanotrona ny Kaonseritra
🇰🇷Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny ambasadaoron’ny Repoblikan’i Korea, Ramatoa Park Jihyun dia notsindriany fa nihatsara sy nihamafy ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta hatramin’ny fisokafan’ny masoivohan’ny Korea teto Antananarivo ary misandrahaka amin’ny sehatra maro izany.
👉Nomarihany ohatra fa anisan’ireo firenena aty Afrika nisitraka ny fifanarahana ara-toekarena sy ara-barotra nosoniavina tamin’ny 2023 i Madagasikara.
🗣️ Ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny Serasera Ogascar Fenosoa ihany koa dia nanamafy fa nitondra anjara biriky tamin’ny fampandrosoana ny firenena malagasy ny Repoblikan’i Korea
👍 Nampihetsi-po ny niangalian’ ireo mpanakanto koreana ny mozika malagasy « afindrafindrao » sy « namana ireo » an’ny tarika Tsiakoraka