
Nandritra ny fandraisany fitenenana teny amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza dia nanazava ny Minisitra Misahana ny Fanavaozana Maître Hanitra Razafimanantsoa fa tsy ny Governemanta irery no tompon’andraikitra amin’ny fanatanterahana ny fanavaozana fa misy ihany koa ireo rafitra sy tompon’andraikitra isan-tsokajiny miara-misalahy amin’izany ka anisan’izany ny antenimieram-pirenena.

Nomarihiny fa iray amin’ireo iraka enina hanatanterahana ny fanavaozana ny Fikaonandoham-pirenena ho an’ny Minisitera misahana ny Fanavaozana.
Eo amin’ny lafiny teknika dia vonona tanteraka ny Minisitera hiatrehana izany fikaonandoha izany fa miandry ny tetiandro avy amin’ny FFKM sisa.

Nohamafisiny ihany koa efa hatrany am-piandohana dia ny FFKM no hitarika ny Fikaonandoham-pirenena.
# Fifanajana
# Fiarahamientana