🗓️ 02 Jolay 2026
📍 LAPAN’ NY ANTENIMIERAM-PIRENENA TSIMBAZAZA
🇲🇬 FIHAONAN’IREO MPIKAMBANA EO ANIVON’NY GOVERNEMANTA SY NY SOLOMBAVAMBAHOAKA
👥 Notanterahina androany teny amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza ny fihaonana voalohany teo amin’ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta sy ireo Solombavambahoaka, notarihin’Andriamatoa Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana. Nanatrika izany ihany koa ny Minisitry ny Fanavaozana, Maître Hanitra Razafimanantsoa, sy ireo mpikambana hafa ao amin’ny Governemanta.
📃 Araka ny voafaritry ny Lalàm-panorenana, ity fihaonana ity dia sehatra iray ahafahan’ny Antenimieram-pirenena manatanteraka ny andraikiny amin’ny fanaraha-maso ny asan’ny Governemanta.
🗣️ Nandritra ny lahateniny, ny Praiminisitra dia nanazava ny dingana amin’ny fanatanterahana ny Politikan’ny Fanavaozana, indrindra ny fanombohan’ny Fikaonandoham-pirenena. Nambarany fa efa vita ny Fikaonandohan’ny Tanora teo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ary efa tontosa ihany koa ny fifampidinihana teny anivon’ny kaominina sy ny faritra.
👉 Ny FFKM no hitarika ny Fikaonandoham-pirenena. Ny Minisitera misahana ny Fanavaozana kosa dia hanao tantsoroka sy hanamora ny fanatanterahana izany. Ny Primatiora no mitarika ny « Comité de pilotage » izay efa natsangana tamin’ny alalan’ny didim-panjakana handrindrana ny fikaonandoha. Etsy ankilany, ny Governemanta no hiantoka ny fitaovana sy ny hoenti-manana rehetra ilaina mba hahafahana manaja ny tetiandro napetraka ho an’ny vahoaka malagasy.
🎯 Vinavinaina hatomboka mandritra ity volana Jolay ity ny Fikaonandoham-pirenena ary andrasana ny tetiandro avy any amin’ny FFKM.