📅 30 Jona 2026
📍Kaominina Ambanivohitra Mariarano – Distrikan’i Mahajanga II-Faritra Boeny
🤝 Fihaonana niaraka tamin’ny Lefitry ny Ben’ny Tanàna
Notanterahina ny 30 Jona 2026 ny fihaonana niarahana tamin’ny Lefitry ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Ambanivohitra Mariarano sy ny Talem-Paritry ny Fanavaozana Razafindrakoto Tojo Harinala ho fanomanana ny Fikaonandoham-paritra izay hotanterahina ao amin’ny Distrikan’i Mahajanga II.
Nandritra ny fifanakalozan-kevitra dia naneho ny fahavononany hiara-hiasa sy hanohana tanteraka ny fanatanterahana izany asa izany ny Kaominina Ambanivohitra Mariarano, mba hahazoana antoka fa hizotra amim-pilaminana sy hahomby ny hetsika.
🎯 Hanamafy ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny kaominina ary hanampy amin’ny fahombiazan’ny fanatanterahana ny Fikaonandoha ao amin’ny Distrikan’i Mahajanga II moa no tanjon’izao fihaonana izao.??🇬????