
Notanterahina teny amin’ny Kianjan’ny Mahamasina ny lanonam-pankalazana ny faha-66 taonan’ny Foloalindahy sy niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara, nitondra ny lohahevitra hoe:
« Fanavaozana ho an’ny Fandrosoan’i Madagasikara. »

Nanome voninahitra ity fotoana ity ny Filohan’ny Fanavaozana Repoblikan’i Madagasikara sady Filoha faratampon’ ny Foloalindahy , Kolonely Mickaël Randrianirina, niaraka tamin’ireo Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana, ireo Filohan’ny Andrimpanjakana, ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta notarihin’Andriamatoa Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Mamitiana Rajaonarison, ary ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta ka anisan’izany Ramatoa Minisitra misahana ny Fanavaozana, Maître Hanitra Razafimanantsoa mivady.

Nanatrika ny lanonana ihany koa ireo vahiny ambony avy amin’ireo firenena namana eto Afrika, dia ny Filohan’ny Repoblikan’i Kenya, William Ruto, ny Filohan’ny Firaisan’i Kaomoro, Azali Assoumani, ary ny Filoha Lefitry ny Repoblikan’i Gabon, Alexandre Barro Chambrier.