Mahajanga, 23 Jona 2026

Nisy ny fitsidihina ara-pomba panajana natao tamin’ny Lehiben’ny Faritra Boeny, niarahana tamin’ny Filohan’ny FFKM Boeny, Révérend Gaston.

Nandritra ny fihaonana dia nifampizarana mikasika ny fikarakarana ny Fikaonan-doham-paritra, izay tanterahina eo ambany fitarihan’ny FFKM sy ny Talem-paritry ny Fanavaozana Boeny Razafindrakoto Tojo Harinala. Nohamafisina tamin’izany ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasa sy ny fifanomezan-tanana eo amin’ireo tompon’andraikitra rehetra voakasika.

Nanambara ny fahavononany hanohana sy hanolo-tanana amin’ny fanatanterahana izany dingana izany ny Faritra Boeny, mba hahazoana antoka fa tontosa am-pahombiazana ny fikaonan-doham-paritra sy ny fakan-kevitra eny ifotony.