Fitsidihana ara-pomba ofisialy
Androany 23 Jona 2026 dia nanao fitsidihana ara-pomba ofisialy an’Andriamatoa SAMBO Jean Jonas Fils, Lehiben’ny Faritra Ambatosoa, ny Talem-paritry ny Fanavaozana Andrianandraina Aldine ka niarahaba azy noho ny fanendrena azy. 🎉
Nohazavaina nandritra izany ny andraikitry ny MCR sy ny fandraisan’anjaran’ny FFKM amin’ny fanomanana ny Fikaonan-doham-pirenena, ary nangatahana ny fiaraha-miasan’ny Faritra amin’ny fanatanterahana ny fakan-kevitra eny ifotony. 🗳️
Nankasitraka ny hetsika ny Lehiben’ny Faritra ary nanome toky ny fiaraha-miasa sy ny fanohanany. 🤝
Nanatrika ny fihaonana ihany koa Andriamatoa DAHY Ioclin, Sekretera Jeneralin’ny Faritra Ambatosoa. ✅