TALEM-PARITRY NY FANAVAOZANA ATSINANANA

21 Jona 2026
Notanterahina tao amin’ny EEM Santa Jakoba ny fotoam-bavaka ho an’ny firenena, nokarakarain’ny FFKM, tao anatin’ny fanamarihana ny fankalazana ny Fetim-pirenena 2026.
Natao indrindra ho fangataham-pitahiana ho an’i Madagasikara sy ho fampanjakana ny firaisankina ary ny fandriampahalemana ny fotoam-bavaka. Nanatrika sy niombom-bavaka tamin’izany ny Talem-paritry ny Fanavaozana Atsinanana, Ramatoa VOIZY Blandine

