Maroantsetra,
🗓️ 22 Jona 2026
🤝 Fitsidihana ara-pomba ofisialy
Nanao fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny biraon’Andriamatoa RABEFENARA Louis Velombita, Préfet n’i Maroantsetra, ny Talem-paritra n’y Fanavaozana Analanjirofo Andrianandraina Aldine. Nandritra izany no nanazavana ny andraikitry ny MCR amin’ny fanohanana ny FFKM amin’ny alalan’ny fidinana eny ifotony sy ny fanentanana ny vahoaka handray anjara amin’ny fakan-kevitra sy ny fanavaozana.
✅ Naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny MCR sy ny FFKM ny Préfet n’i Maroantsetra, ary nanamafy fa andraikitry ny rehetra ny fanatanterahana ny fandaharan’asa fanavaozana.
🌱 Mampiroborobo ny fiaraha-miasa eo amin’ireo tompon’andraiki-panjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fanentanana sy ny fampandraisana anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fanavaozana eny ifotony.