Faritra Anosy
🗓️ 21 Jiona 2026
🙏 Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana ho fangatahana fitahiana ho an’ny Firenena
Nanatrika ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana nokarakarain’ny FFKM ny DRR Anosy, ho fangatahana fitahiana ho an’ny Firenena mialoha ny fankalazana ny 26 Jiona 2026. Nifototra tamin’ny teny faneva hoe: “Miova amin’ny fanavaozana ny saina” (Romana 12:2b) ny fotoana.
✅ Nampitaina ny hafatra momba ny maha zava-dehibe ny fanovana toe-tsaina ho antoky ny fampandrosoana ary nohamafisina ny fiaraha-miasan’ny Fiangonana sy ny Fanjakana.
🇲🇬 Ny fanavaozana ny saina no fototry ny fanavaozana ny fiarahamonina sy ny fampandrosoana maharitra.