19 – 20 Jona 2026
📍 Amboasary Atsimo – Faritra Anosy
🤝 Nanao fitsidihana ara-pomba fanajana ny sefo Distrika vaovao sy nihaona tamin’ireo Ben’ny Tanàna ny Tale-paritra misahana ny Fanavaozana Anosy Livera Bevazaha ny 19 Jona 2026. Nandritra izany no nanamafisana ny fanentanana momba ny Fikaonan-doham-pirenena sy ny fandraisan’anjaran’ny vahoaka eny ifotony.
🧹 Ny 20 Jona 2026 kosa dia nandray anjara tamin’ny fanadiovana faobe tao amin’ny Hopitaly Philibert Tsiranana (Amboanato) ihany koa ny Talem-paritra.
✅ Nohamafisina nandritra izany ny fiaraha-miasa amin’ireo tompon’andraikitra eny an-toerana.
🌱 Mitombo ny fahavononan’ny vahoaka handray anjara amin’ny Fikaonandoham-pirenena.