20 Jona 2026

Kaominina Lanivo sy Kaominina Ankarimbary, Distrikan’i Vohipeno – Faritra Fitovinany
Notanterahin’Andriamatoa Romario Randriazafy Mahazomora, Talem-paritry misahana ny Fanavaozana eto Fitovinany, ny fanentanana sy fanazavana momba ny Fikaonandoham-pirenena tao amin’ny Kaominina Lanivo (09 ora maraina) sy Kaominina Ankarimbary (02 ora tolakandro).

Vokatra : Nahazo fanazavana mazava momba ny tanjona sy ny maha zava-dehibe ny Fikaonandoham-pirenena ireo mponina sy tompon’andraikitra teny an-toerana.

Fiantraikany : Nitombo ny fahatakarana sy ny fahavononan’ny vahoaka handray anjara amin’ny Fikaonandoham-pirenena, ka miandry fatratra ny fanatanterahana izany izy ireo ho fampandrosoana sy fanarenana ny eny ifotony.

Mitohy ny fanentanana mba hahafahan’ny rehetra mandray anjara amin’ny fanorenana ny hoavin’ny Fokontany sy ny Firenena.
