📆23 jona 2026
📍CCI Ivato
📝Fanavaozana ny fananan-tany: Tsy tokony hisy tompon’i Madagasikara afa-tsy ny Malagasy
👉Notanterahana androany teny amin’ny CCI Ivato ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Fikaonandoham-pirenena momba ny fanajariana ny tany, ny fananan-tany, ny toeram-ponenana sy ny trano fonenana.
🎯 Tonga nanome voninahitra izao fotoan-dehibe izao ny Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana, ny Jeneraly Lucien Rabearimanana sy ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa.
👉Nanamarika ny fandraisam-pitenenan’i Minisitra Lylyson René de Roland ny olana mbola sedrain’ny vahoaka malagasy amin’ny sehatry ny fananan-tany sy ny trano fonenana ary indrindra ireo vahaolana efa nentin’ny fitondrana Fanavaozana manoloana ireny tao anatin’ny 8 volana nitantanana ny firenena.
🤓Notanisainy tamin’izany fa:
-Miverina amin’ny fanjakana Malagasy avy hatrany ireo tany nobodoin’ny mpanjanaka manerana ny Nosy ary averina amin’ireo Malagasy izay nanajary izany.
-Misy ny fanamboarana ireo lalàna mahakasika ireo tany misoratra amin’ny “Province”
-Misy ny volavolan-dalàna mikasika ny fananan-tany eny anivon’ny Antenimieram-pirenena izay hitondra fanatsarana amin’io sehatra io. Ka voarakitra ao anatin’izany fa tany mirefy 5000 m2 vao entina miakatra aty amin’ny minisitera ny fikarakarana izany raha 1000 m2 izany teo aloha. Mijanona eny anivon’ny disitrika sy ny kaominina izany ny fikarakarana ny taratasy ho an’ny tany latsak’io 5000 m2 io.
-Ho tanterahina manerana ny kaominina rehetra ny “operation domaniale concertée” ary hisy ny peta-drindrina haneho ny saran’ny fidinana ifotony ataon’ny mpiasan’ny fananantany. Ary hisy ny ezaka hatao mba ho maimaim-poana ny taratasy fanoratana tany amin’ny alalan’ny fandovana
-Foana hatreo ihany koa ny zon’ny vahiny na maharitra na nandova ny tany
✔️Namporisika ny fahaiza-manaon’ny tekinisianina eo amin’ny sehatry ny fananan-tany moa ny Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana mba hahita tokoa ny lalana ary ny lalàna tsara hampandrosoana ny firenena amin’ny resaka tany.
📣Niantso ny firaisankinan’ny vahoaka Malagasy ihany koa ny tenany mba hiaro ny taniny indrindra manoloana ny fihazakazahan’ireo vahiny eto amintsika manao fitrandrahana tsy ara-dalàna.
📩Nambarany fa fotoana izao handinihina sy hamolavolana miaraka ny vina napetraka ny fanjakana dia ny hananan’ny Madagasikara fananantany vaovao afahan’ny olom-pirenena rehetra mahazo tolotra fananantany . “Tsy maintsy atao ny fanavaozana mba hangaraha ny resaka fananan-tany mba anatrarana ny tanjona dia ny hananana tanana milamina” hoy hatrany izy.🇲🇬🇲🇬