19 Jona 2026
📍 Kaominina Ambanivohitra Karianga, Distrikan’i Vondrozo – Faritra Atsimo Atsinanana
🔹 Notanterahin’Andriamatoa Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Atsimo Atsinanana Iotokarozy sy ireo mpiara-miasa aminy ny fidinana ifotony tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Karianga. Nisy ny fanentanana sy fanazavana momba ny Fikaonandoham-pirenena izay hotanterahina eny anivon’ny fokontany, kaominina, distrika ary faritra, ary nohazavaina ny maha zava-dehibe izany amin’ny fampandrosoana miainga avy eny ifotony. Nanatrika izany ny Lefitry ny Lehiben’ny Distrikan’i Vondrozo, ny Commandant de Brigade ZP Karianga, ireo Ben’ny Tanàna, Sefo Fokontany, Komity Mpanatanteraka ny Dina (KMD), fikambanam-behivavy, tanora, Chef CSB ary ireo solontenan’ny fanjakana avy amin’ireo kaominina fito: Andakana, Manato, Ivato, Mahavelo, Vohibireka, Moroteza ary Karianga.
✅Nazava tamin’ireo mpandray anjara ny lanjan’ny Fikaonandoham-pirenena ary naneho fahavononana hitondra sosokevitra ho fampandrosoana sy hanentana ny mpiara-monina aminy handray anjara amin’izany.
🌱 Mitombo ny fahavononan’ny vahoaka eny ifotony handray anjara amin’ny fampandrosoana maharitra sy ny fitantanana ny raharaham-pirenena.