20 Jona 2026
📍 Andranogoa – Ambovombe, Faritra Anôsy
💧 Andro vitsivitsy taorian’ny fandalovan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika dia mitohy ny fametrahana ireo fantsona mampitohy ny sinibe eny Andranogoa mankany Ambovombe manamorona ny lalam-pirenena faha-13 izay notokanana vao haingana. Hisitraka rano fisotro madio amin’ity fotodrafitrasa ity ny Kaominina Maroalopoty, Maroalomainte ary Ambovombe.
✅ Mitohy ny fanatanterahana ny tambajotran-drano sy ny fanitarana ny fahazoan’ny mponina rano fisotro madio.
🌱 Manatsara ny fahafahan’ny mponina misitraka rano fisotro madio, manampy amin’ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka ary manohana ny fampandrosoana eny ifotony.