19 Jona 2026
📍 Kaominina Imanombo, Distrika Antanimora, Faritra Androy
🤝 Nandray anjara tamin’ny lanonana fandresen-dahatra ireo rekotro (dahalo) hiverina ao anatin’ny fiarahamonina sy hiala amin’ny asa ratsy ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fanavaozana Androy notarihan’ny Tale Miha Jaonasitera. Taorian’izany dia nanatanteraka fanentanana sy fanazavana momba ny Fikaonan-doha sy Fakankevitra Ifotony ho an’ny mponina ny ekipan’ny DRR. Nanatrika sy nandray anjara tamin’ny hetsika ny fiangonana, ny mpitandro filaminana ary ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.
🌱 Mampiroborobo ny fihavanana sy ny fandriampahalemana eo anivon’ny fiarahamonina ary manamafy ny fandraisan’anjaran’ny vahoaka amin’ny raharaham-pirenena sy ny fampandrosoana eny ifotony.