
Tontosa ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika fanadiovana sy fidiovana tao Antsirabe.Ny Mpanolo-tsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblika,Médecin Colonel RAMPANARIVO Thierry, no nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika. Nanatanteraka ny fanadiovana teny anoloana sy manodidina ny gara ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Vakinankaratra RAJAONARIVONY Tantely Nirina sy ireo mpiara-miasa aminy. Nanatrika izany ihany koa ny Minisitry ny Rano, Fidiovana sy Fanadiovana, ny Lehiben’ny Faritra, ireo Tale-paritra ary ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.