Kaominina Arivonimamo II – Distrika Arivonimamo – Faritra Itasy

19 Jona 2026

Notanterahina ny 19 Jona 2026 ny fivoriana fahampafantarana ireo Sefom-pokontany sy Lefiny miisa 26 momba ny Fikaonandoham-pirenena, nanomezana fanazavana ny tanjona sy ny fomba fanatanterahana izany eny ifotony.

Nahazo fanazavana sy toromarika mazava ireo mpandray anjara momba ny andraikiny amin’ny fanentanana sy ny fandrindrana ny fikaonandoha eny anivon’ny fokontany.

Fiantraikany : Manamafy ny fahavononan’ireo tompon’andraikitra eny ifotony handray anjara amin’ny fanatanterahana ny Fikaonandoham-pirenena sy hampiroborobo ny fandraisan’anjaran’ny vahoaka.