19 Jona 2026

Kaominina Ambanivohitra Tsiatosika, Distrikan’i Mananjary – Faritra Vatovavy

Nidina ifotony nanatanteraka fanentanana sy fanazavana momba ny Fikaonandoha Ifotony sy ny tanjona kendren’ny Fitondrana Fanavaozana ny Fitaleavam-paritry ny Fanavaozana Vatovavy Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny vahoaka sy ireo tanora tao an-toerana, izay naneho fahalianana sy fahavononana handray anjara amin’ny dinika sy ny fampandrosoana ny fiarahamonina.

Nahazo fanazavana mazava momba ny Fikaonandoha Ifotony ny mpandray anjara ary maro ireo naneho fahavononana hitondra soso-kevitra sy handray anjara amin’ny dingana rehetra.

Nitombo ny fahatokisan’ny mponina ny fomba fandraisana anjara amin’ny raharaham-pirenena ary voaentana kokoa ny tanora handray andraikitra amin’ny fampandrosoana sy ny fananganana fiarahamonina mirindra sy mandroso.