19 Jona 2026
📍 Distrikan’i Mananjary, Faritra Vatovavy
👥 Nanao fanentanana sy fanazavana momba ny Fikaonandoha Ifotony ary ny tanjona kendren’ny Fitondrana Fanavaozana ny tompon’andraikitra teny an-toerana notarihin’ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana Fitovinany Fridolin Caleb. Nanatrika izany ireo sokajin-kery rehetra eo anivon’ny fiarahamonina, ahitana ireo Lehiben’ny Fokontany miisa 09, solontenan’ny mpitondra nentim-paharazana sy ny fiangonana, ary ireo fikambanam-behivavy sy mpitarika fampandrosoana eny ifotony.
✅ Tafita tamin’ny mpandray anjara ny hafatra ka nahafahan’izy ireo naneho malalaka ny heviny sy ny ahiahiny momba ny fampandrosoana. Nivoitra tamin’ny dinika fa ny kolikoly avo lenta sy ireo sakana ara-pitantanana isan-karazany no anisan’ny mampitarazoka ny fampandrosoana ny faritra. Nohamafisina ihany koa ny hetahetan’ny mponina mba hahafahan’izy ireo misitraka sy mampiasa ara-dalàna ireo tany maro izay heverina ho terrains nationalisés ao amin’ny Distrikan’i Mananjary.
🌱 Nitombo ny fahatakarana ny Fikaonandoha Ifotony sy ny Fanavaozana, nihamafy ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena amin’ny raharaham-pirenena, ary voaangona ireo soso-kevitra sy hetahetan’ny mponina izay afaka hanampy amin’ny famolavolana vahaolana mifanaraka amin’ny zava-misy eny ifotony.