22 Jona 2026

Distrika Tsihombe-Faritra Androy

Notanterahina ny fihaonana niarahana tamin’ ny talem-paritra miasahana ny Faritra Androy Miha Jaonasitera sy ireo solontenan’ny fiarahamonim-pirenena ary ny FFKM tao amin’ny Distrika Tsihome ka tao amin’ny Kaominina Ankilivalo;Behazomanga;Anjampaly;Marovato;Imongy;Tsihombe;ary Antaritarike. Nandritra izany no nanaovana fifampidinihana sy fifanakalozan-kevitra mikasika ny Fikaonandoham-pirenena ho tarihin’ny FFKM ary ny anjara birikin’ny rehetra amin’ny fampandrosoana sy ny fanamafisana ny firaisankina eny ifotony.

Nahazo fanazavana sy nifampizara hevitra ireo mpandray anjara, ary naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny fanatanterahana ireo hetsika sy dinika ho tombontsoan’ny vahoaka.

Nihamafy ny fiaraha-miasa sy ny fifampitokisana eo amin’ny fitondram-panjakana, ny fiarahamonim-pirenena ary ny FFKM, ka manampy amin’ny fanamafisana ny firaisam-pirenena sy ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena amin’ny raharaham-pirenena.