🗓️ 18 Jona 2026
📍 Faritra Matsiatra Ambony
🤝 Tontosa ny fitsidihana ampanajana an’Andriamatoa RAHERINJANAHARY Pierre Raymond, Lehiben’ny Faritra Matsiatra Ambony, sy ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fanavaozana notarihin-dRamatoa RAZANAMAHEFA Désirée Marie Stella, Tale-paritra misahana ny Fanavaozana.
🔹 Fitsidihina izay nifantoka tamin’ny fifampidinihana sy fifampizarana momba ny fomba hiatrehana sy hanomanana ny Fikaonandoham- paritra ao amin’ny Faritra , ary ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Faritra sy ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fanavaozana.
✅ Naneho ny fahavononany hiara-hiasa sy hiara-misalahy amin’ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fanavaozana ny Lehiben’ny Faritra mba hahatanteraka am-pahombiazana ireo hetsika sy fandaharan’asa.
🌱 Hamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ireo sampandraharaha voakasika, hahafahana manomana sy manatanteraka tsara ny Fikaonandoham- Paritra ary mampiroborobo ny fampandrosoana sy ny firaisankina .
#MCR
#Fanavaozana
#Fikaonandohampirenena
#fifanajana
#FiarahaMientana
#fanolorantena