18 Jona 2026
📍 Kaominina Ambanivohitra Mahazoarivo, Distrikan’i Vondrozo – Faritra Atsimo Atsinanana
👥 Notanterahin’Andriamatoa Talem-paritry misahana ny Fanavaozana Atsimo Atsinanana Iotokarozy sy ireo mpiara-miasa a ny fidinana ifotony tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Mahazoarivo ny fanazavana mahakasika ny fikaonandoham-pirenena. Nanatrika izany ny Lefitry ny Lehiben’ny Distrikan’i Vondrozo, ny Ben’ny Tanàna, ireo Sefo Fokontany, ny Komity Mpanatanteraka ny Dina (KMD) ary ireo Mpanolotsaina ao amin’ny Kaominina.
📢 Nandritra izany no nanazavany momba ny maha zava-dehibe ny Fikaonandoham-pirenena eny anivon’ny Fokontany, Kaominina, Distrika ary Faritra, mba hahafahan’ny rehetra miomana mialoha amin’ny fanatanterahana izany.
✅ Nazava tamin’ireo mpandray anjara ny tanjona sy ny lanjan’ity fikaonandoham-pirenena ity ka vonona izy ireo hitondra ny hetahetany sy ny olana iainan’ny mponina isan’andro ary hampita ny hafatra eny anivon’ny fokontany misy azy avy.
🌱 Niteraka fahavononana sy fanantenana eo amin’ny mponina izany, ary manamafy ny finiavan’izy ireo handray anjara amin’ny fampandrosoana maharitra eny amin’ny tontolo ambanivohitra.