20 Jona 2026
📍 Carlton Anosy
🌍 Nankalazaina androany ny faha-63 taonan’ny nananganana ny Vondrona Afrikanina (UA), ny lohahevitra tamin’izany dia ny hoe : « Fomba fahazoana rano fisotro madio sy ny fanadiovana azo antoka hanatrarana ny tanjon’ny Agenda 2063 ».
👥 Ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa no nisolo tena ny Governemanta sy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny izay tsy eto an-toerana, nandritra ity lanonana ity.
🗣️ Nandritra ny lahateniny dia nanamafy ny Minisitra Misahana ny Fanavaozana Maître Hanitra Razafimanantsoa, fa mifanaraka amin’ny vina entin’ny Agenda 2063 sy ny Tanjona Fampandrosoana Maharitra laharana faha-6 an’ny Firenena Mikambana i Madagasikara.
👉 Nanomboka ny volana Oktobra 2025 dia fotodrafitrasa famatsian-drano fisotro madio manodidina ny 670 no nohavaozina manerana ny faritra 19 eto Madagasikara, ka olona maherin’ny 773 000 no nahazo tombontsoa mivantana.
👉 Eto Antananarivo, nitombo 22 000 m³ isan’andro ny famokarana rano tao Mandroseza, ary mbola hitombo 20 000 m³ fanampiny izany tsy ho ela.
👉 Any amin’ny Faritra Atsimo , ny lavadrano mandeha amin’ny herin’ny masoandro, ireo fotodrafitrasa maro an’isa ary ny fantson-drano Mandrare–Sampoina dia porofon’ny ezaka hanatrarana Afrika mandroso, miray hina ary mibanjina ny ho avy.
🤝 Nifarana tao anatin’ny firaisankina sy ny fifankatiavana mampiseho ny kolontsaina afrikanina ny lanonana, ho an’i Afrika afaka, mandroso ary manana ny lanjany eo amin’izao tontolo izao.