23 Jona 2026-Faritra Ambatosoa
Nisy ny fihaonana tamin’ireo Ben’ny Tanàna avy amin’ny Distrikan’i Maroantsetra sy Mananara Avaratra, ka 30 mahery tamin’ireo 36 no nanatrika. sy ny Talem-paritry ny Fanavaozana Andrianandraina Aldine

Nandritra izany no nanazavana ny momba ny fanavaozana sy ny maha-zava-dehibe ny fakan-kevitra eny ifotony, izay hitondrana ny feon’ny vahoaka amin’ny fananganana ny Repoblika Fahadimy. Nangatahana ny fiaraha-miasan’ireo Ben’ny Tanàna amin’ny fanentanana ny mponina handray anjara amin’izany, ary naneho ny fahavononany hanohana ny dingana izy ireo.


Isaorana ny Préfet-n’i Maroantsetra sy ny Lehiben’ny Distrikan’i Mananara Avaratra tamin’ny fanohanana sy ny fanamorana ny fihaonana.