
Notohizana tamin’ny fivoriana an-kalamanjana niarahana tamin’ny vahoaka ny lanonana fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana tao Alaotra Mangoro. Tamin’io fotoana io no nitondran’ny Minisitra Misahana ny Fanavaozana,Me Hanitra Razafimanantsoa fanazavana sy fanentanana momba ny Fanavaozana sy ny Fikaonandoham-pirenena.

Nandritra ny lahateniny dia nanamafy ny Minisitra fa:
« Miankina aminao, miankina amintsika ny Fanavaozana. Raha tsy manomboka amintsika izany dia zava-poana ny ezaka rehetra ataon’ny fitondram-panjakana tarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kolonely Michaël Randrianirina. »

Nomarihiny ihany koa fa ampahany amin’ny Fanavaozana ihany ny Fikaonandoham-pirenena, satria maro ireo asa hafa tanterahina ao anatin’izany, toy ny fanavaozana ny raharaham-panjakana, ny fanatsarana ny rafitra ary ny fanamafisana ny fitantanana ny firenena, ho fanorenana Repoblika matanjaka, mangarahara ary akaiky vahoaka.