📌📝01 Jolay-04 Jolay 2026.Taolagnaro- FARITRA ANOSY
😀Nanomboka ny 01 Jolay ka hatramin’ny Asabotsy 04 Jolay 2026, dia nidina ifotony nitety ireo kaominina enina ao amin’ny Distrikan’i Tolagnaro ny Talem-paritry ny Fanavaozana Anosy Livera Bevazaha. Anisan’ireo notsidihina ny Kaominina Ambanivohitra Mandromondromotra, Ampasy Nahampoana, Mahatalaky, Iaboakoho, Manantenina ary Soavary.
🎯Ny tanjon’ny fidinana ifotony dia ny hitondra fanazavana momba ny Fanavaozana sy ny Fikaonan-doham-pirenena, izay ho dingana lehibe entina mampandroso ny Fanavaozana eto Madagasikara.
📄Nohazavaina nandritra ireo fihaonana fa ny Fikaonandoham-pirenena no hitondra ho amin’ny Fanavaozana. Efa miomana amin’izany ny faritra, ka ny FFKM, amin’ny maha-Raiamandreny ara-panahy azy, no hisahana ny fitarihana ny Fikaonandoham-pirenena, raha ny Minisitera misahna ny Fanavaozana kosa no mpitantsoroka sy miantoka ny fandrindrana ny fanatanterahana izany.
🔎Naneho ny fahavononany handray anjara sy hiara-hisalahy amin’ny fanatanterahana ny Fikaonandoham-pirenena sy ny ezaka Fanavaozana ireo mponina tao an-toerana.🇲🇬🇲🇬