πŸŸ₯πŸŸ₯ URGENT πŸŸ₯πŸŸ₯
𝐓𝐑𝐀𝐍𝐆𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐕𝐄𝐑𝐄𝐙𝐀𝐍’πŽπ‹πŽππ€: π— π—£π—œπ—§π—”π—‘π——π—₯𝗒 𝗑𝗬 π—™π—œπ—Ÿπ—”π— π—œπ—‘π—”π—‘π—” 𝗔𝗑-𝗝𝗔𝗧𝗒𝗑𝗬 π— π—œπ—£π—”π—₯π—œπ—§π—”π—žπ—” π— π—”π—‘π—˜π—₯𝗔𝗑𝗔 𝗔𝗑’ 𝗔𝗑𝗧𝗔𝗑𝗔𝗑𝗔π—₯π—œπ—©π—’
Nanomboka ny atoandro teo, mpitandro ny filaminana an-jatony no miparitaka manerana an’ Antananarivo hisorohana ny tsy hisian’ny tranga fahaverezan’olona intsony.
Anisan’ny tazana ao anatin’izany ireo mmpitandro ny filaminana miasa eo anivon’ny fiadidiana ny fanavaozana ny repoblika na ny « Garde prΓ©sidentielleΒ Β». Ny avy amin’ny tafika, Zandary ary polisy.
Hitohy mandritra ny alina ny fanaraha-maso ny toerana rehetra ataon’izy ireo ary rahampitso dia mbola hiampy ireo hiasa eny an-kianja.
Nilaza izy ireo fa tsy handefitra amin’ireo rehetra tratra manao fandikan-dalana.