Manakaiky kokoa ny vahoaka ny Minisitera misahana ny Fanavaozana amin’ny alalan’ny fametrahana ireo Talem-paritra manerana ny Nosy.
Nitohy tao Tanambe, distrikanโAmparafaravola ny fametrahana aminโny fomba ofisialy ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Alaotra Mangoro, Atoa Rambatsiarison Raharidera.
Amin’ny maha Minisitera vao naorina ny Minisitera misahana ny Fanavaozana, dia nisy ny fandraisana tsodrano avy amin’ireo olo-be sy raiamandreny eto an-toerana, ho mariky ny firaisankina sy ny fanohanana ny fanatanterahana ny iraka fanavaozana.
Nitarika ny lanonana ara-pomba sy ara-panjakana ny Minisitra Misahana ny Fanavaozana, Maรฎtre Hanitra Razafimanantsoa.
Nanome voninahitra ny fotoana ireo Solombavambahoaka, ny Prefet, ireo manampahefana sivily sy miaramila, ireo olo-be ary ireo Ben’ny Tanร na avy amin’ireo distrika dimy mandrafitra ny Faritra Alaotra Mangoro. Ny Prefet no namaky ny didim-panjakana manendry ny Talem-paritra.
Nohamafisina fa ny Fanavaozana ny Repoblika dia miainga amin’ny fanovana ny toe-tsaina sy ny fomba fiasa. Koa ny Talem-paritra no hiantoka ny fitarihana, ny fandrindrana ary ny fampiharana mahomby ny politikam-panavaozana eny ifotony. Izy ihany koa no handrindra ny fanentanana sy hanohana ny fanatanterahana ny Fikaonandoham-pirenena, izay tarihin’ny FFKM.