πŸ“†Zoma 03 Jolay 2026 – Faritra SAVA
🎯𝐍𝐚𝐧𝐀𝐚π₯𝐚𝐳𝐚𝐒𝐧𝐚 𝐧𝐲 πŸŽπŸ‘ 𝐉𝐨π₯𝐚𝐲 πŸπŸŽπŸπŸ” 𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐈𝐫𝐚𝐒𝐬𝐚𝐦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐑𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐊𝐚𝐨𝐩𝐞𝐫𝐚𝐭𝐒𝐯𝐚 𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐒𝐀𝐕𝐀
« 𝐊𝐚𝐨𝐩𝐞𝐫𝐚𝐭𝐒𝐯𝐚 𝐑𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐧𝐭𝐨π₯𝐨 𝐦𝐒π₯𝐚𝐦𝐒𝐧𝐚 » no lohahevitra nanamarihana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Kaoperativa tamin’ity taona 2026 ity. Mifanaraka amin’ny fandaharan’asa nasionaly mikendry ny fampiroboroboana ny fihariana ara-toekarena sy ny fanavaozana nomerika ny fampandrosoana ny sehatry ny kaoperativa eto Madagasikara.
πŸ˜€Amin’izao fotoana izao dia 𝐦𝐚𝐑𝐚𝐭𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 πŸ’ πŸ“πŸŽπŸŽ 𝐧𝐲 𝐀𝐚𝐨𝐩𝐞𝐫𝐚𝐭𝐒𝐯𝐚 𝐯𝐨𝐚𝐬𝐨𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐝𝐚π₯πšΜ€π§πš 𝐦𝐚𝐧𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐍𝐨𝐬𝐲, 𝐀𝐚 πŸπŸŽπŸ” 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐧𝐨 𝐧𝐚𝐨𝐫𝐒𝐧𝐚 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 π…πšπ«π’π­π«πš 𝐒𝐀𝐕𝐀.
Anisany nandray anjara feno tamin’ity fankalazana ity ny fitaleavam-paritra misahana ny Fanavaozana SAVA.
πŸ“£Nandritra ny lanonana, ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina, Ramatoa TIDAHY Chantal, dia nanolotra ireo laharam-pahamehana dimy hanamafisana ny fampandrosoana ny kaoperativa, dia :
βœ…Fanamafisana ny fahaiza-mitantana;
βœ…Fanamorana ny fahazoana famatsiam-bola ara-dalΓ na;
βœ…Fampiroboroboana ny fanodinana sy fanampiana sanda ny vokatra;
βœ…Fampidirana ny teknolojia sy ny fanavaozana nomerika amin’ny fitantanana sy ny varotra;
βœ…Fanamafisana ny fifandraisana amin’ny tsena nasionaly sy iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny federasiona matanjaka.
πŸ“’Nambaran’ny Lehiben’ny Faritra SAVA, Atoa RAZANANTSOA Brassilive David, fa mila tohana amin’ny alalan’ny fiofanana sy fanomezana fitaovana ary fanampiana ny kaoperativa mba hahafahany mampitombo ny vokatra sy manatsara ny kalitaony.
Notsindriany fa Β«Β π‘Ÿπ‘Žβ„Žπ‘Ž π‘šπ‘Žπ‘Ÿπ‘’π‘“π‘œ 𝑛𝑦 π‘˜π‘Žπ‘œπ‘π‘’π‘Ÿπ‘Žπ‘‘π‘–π‘£π‘Ž π‘‘π‘–π‘Ž π‘šπ‘Žπ‘Ÿπ‘’π‘“π‘œ π‘–β„Žπ‘Žπ‘›π‘¦ π‘˜π‘œπ‘Ž 𝑛𝑦 π‘“π‘Žπ‘šπ‘π‘Žπ‘›π‘‘π‘Ÿπ‘œπ‘ π‘œπ‘Žπ‘›π‘Ž.Β Β»
Nanamafy ihany koa izy fa vonona ny Faritra SAVA hanohana sy hampiroborobo ny kaoperativa, izay isan’ny fomba fanatanterahana ny fanamby napetraky ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, Kolonely RANDRIANIRINA Michael, ho fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara.πŸ‡²πŸ‡¬