πŸ—“οΈ 14 Jolay 2026
πŸ“ Distrikan’Amboasary – Faritra Anosy
🀝 𝐌𝐒𝐭𝐨𝐑𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐦𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐑𝐨𝐚𝐀𝐚 𝐑𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 π…π’π€πšπ¨π§πšπ§ππ¨π‘πšπ¦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚
πŸš— Nitohy ny 14 Jolay 2026 ny fidinana ifotony notanterahin’ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Anosy Atoa Livera Bevazaha tao amin’ny Distrikan’Amboasary.
Ny Kaominina Ambanivohitra Behara, Tanandava, Berano Ville ary ny Kaominina Ambonivohitra Amboasary Atsimo no nisantarana ny fanentanana sy fanazavana momba ny Fikaonandoham-pirenena, izay hotarihin’ny FFKM, ka ny Minisitera Misahana ny Fanavaozana no miantoka ny fanohanana ara-teknika sy ny fanomanana ny vahoaka eny ifotony. πŸ‡²πŸ‡¬
πŸ‘₯ Nanome voninahitra ny fotoana ny Lehiben’ny Distrika Amboasary niaraka tamin’ireo Ben’ny TanΓ na avy amin’ireo Kaominina voakasika.
Nohazavain’ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana fa miainga eny amin’ny Fokontany, mandalo amin’ny Kaominina, Distrika ary Faritra, vao tonga amin’ny sehatra nasionaly ny Fikaonandoham-pirenena. Nasongadiny ihany koa fa sehatra misokatra ho an’ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka izy io, ahafahan’ny tsirairay maneho ny heviny sy mandray anjara amin’ny fanorenana ny hoavin’ny firenena. πŸ—£οΈ
πŸ’¬ Naneho hafaliana sy fahavononana ny mponina, satria sambany no omena lanja tahaka izao ny feon’ny vahoaka eny ifotony, indrindra ny eny amin’ny Fokontany.
Nambaran’izy ireo fa vonona handray anjara mavitrika ny vehivavy πŸ‘©, ny tanora πŸ§‘β€πŸŽ“, ary ny sokajin’olona rehetra, mba hitondra ny hevitra sy ny soso-keviny ho fampandrosoana an’i Madagasikara.
πŸ“Œ Nahazo fanazavana mazava ny mponina ary naneho fahavononana handray anjara mavitrika amin’ny dingana rehetra amin’ny Fikaonandoham-pirenena.
🌱 Mihamafy noho izany ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena eny ifotony, mivelatra ny fifampidinihana, ary voaomana tsara ny fiaraha-mientana ho amin’ny fanorenana firenena mirindra sy mandroso.