𝐊𝐚𝐨𝐦𝐒𝐧𝐒𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐫𝐨𝐦𝐚𝐫𝐨 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 π¦π¨π¦π›πš 𝐧𝐲 π…π’π€πšπ¨π§πšπ§-𝐝𝐨𝐑𝐚𝐦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚
10-13 jolay 2026
Faritra AnΓ΄sy-Distrikan’i Taolagnaro
πŸ”΄Mitohy hatrany ny fanentanana sy famelabelarana ataon’ireo talem-paritry ny Minisitera misahana ny Fanavaozana eny ifotony momba ny Fikaonandoham-pirenena izay tanterahin’ny FFKM.
πŸ“Tao aorinan’ny fidinana ifotony tany amin’ireo kaominina ambanivohitra Ankaremena, Manambaro, Analapatsy, sy Ankilivato ny 10 sy 11 jolay lasa teo, dia notohizana tany amin’ny kaominina Ranopiso sy Ankariera izay ao anatin’ny Distrikan’i Taolagnaro hatrany izany ny 13 jolay 2026.
βœ…Tonga namaly ny antso tamin’izany ireo Ben’ny Tanana sy ny Β« DΓ©lΓ©guΓ© Β», ary ny sefo fokontany tamin’ny kaominina tsirairay.
πŸ‘‰Hita ho liana sady faly ny olona satria sambany mba ny hevitry ny vahoaka no henoina ary naneho ny fahavononany hanatrika ny fikaonandoha amin’ny fotoana anatanterahan’ny FFKM izany.
πŸ“£Ny Chef ZAP moa dia nilaza ho vonona hifanome tanana amin’ny fampiantranoana satria ao anatin’ny fialan-tsasatra ny mpianatra.