
Faritra Anosy | Distrikan’i Tolagnaro

08 Jolay 2026

π
π’ππ¨π‘π’π³ππ§’π§π² ππ’ππ’π§ππ§π π’ππ¨ππ¨π§π² π‘π¨ πππ§π¨π¦ππ§ππ§π π§π² ππ’π€ππ¨π§ππ§ππ¨π‘ππ¦-π©π’π«ππ§ππ§π

Nitohy ny fidinana ifotony notanterahin’ny Talem-paritra Mishana ny Fanavaozana Anosy Livera Bevazaha, ka ny Kaominina Ambanivohitra Fenoevo Fita sy Isaka Ivondro no notsidihina tamin’ity indray mitoraka ity.

Nandritra ny fihaonana dia hita taratra ny fahavononan’ny mponina handray anjara amin’ny Fanavaozana sy ny fahalianany amin’ny Fikaonandoham-pirenena. Niverimberina ny fanontaniana momba ny fotoana hanombohan’izany, ary nasongadin’ireo tompon’andraikitra eny ifotony fa sambany no hisy dingana ahafahan’ny hevitry ny vahoaka eny ifotony mandray anjara amin’ny fanorenana ny hoavin’ny firenena.
# MCR# Fanavaozana