
Antaninarenina | 10 Jona 2026

Notanterahina ny 10 Jolay 2026 ny fihaonana teo amin’ireo mpikaroka sinoa Dr Weifeng Wang sy Profesora Xiuli Han tamin’ny mpiara-miasa teo anivon’ny Minisitera Misahana ny Fanavaozana. Nisolo tena an’i Minisitra Misahana ny Fanavaozana nandray azy ireo tamin’izany ny Sekretera Jeneraly ny Minisitera Atoa Herinjakatahina Laza, ny Talen’ny Kabinetra Atoa Randraintsehenoarimananana Jules AimΓ© ary ireo sampan-draharaha mpiara miasa aminy . Nandritra izany dia nifantoka tamin’ny fikarohana momba ny fiaraha-miasa sinoa-afrikana eo amin’ny sehatry ny fampiasam-bola, ny fitantanana (gouvernance) ary ny politikam-panjakana ny asa sy ny dinika. Nisy ihany koa ny fifanakalozana niaraka tamin’ireo sampan-draharaham-panjakana teto anivon’ny Minisitera, mba hizarana traikefa sy hamolavolana soso-kevitra ary vahaolana maharitra ho an’ny fampandrosoana.