
Farafangana | 07 Jolay 2026

π
π’π‘ππ¨π§ππ§π πππ§ππ«π’π§ππ«ππ§π π§π² ππ’ππ«ππ‘π-π¦π’ππ¬π π‘π¨ πππ§π¨π¦ππ§ππ§π π§π² π
π’π€ππ¨π§ππ§ππ¨π‘ππ¦-π©ππ«π’ππ«π

Nisy ny fihaonana teo amin’ny ny Talem-paritry misahana ny Fanavaozana Atsimo Atsinanana Atoa Iotokarozy sy ireo mpikambana FFKM eo anivon’ny Faritra Atsimo Atsinanana handrindrana ny fiaraha-miasa amin’ny fanatanterahana ny Fikaonandoham-paritra.

Nandritra ny fihaonana dia nohazavaina ny asa efa vita sy ny paikady hapetraka mba hahombiazan’ny fikaonandoha eny ifotony, izay hahakasika fokontany 804, kaominina 98, distrika 5 . Nampahafantarina ihany koa fa ireo mpikambana FFKM nanatrika dia misahana ny Distrikan’i Farafangana ihany, ka hisy fihaonana hataon’Andriamatoa Talem-paritra amin’ireo mpikambana FFKM ao Vondrozo sy Vangaindrano (Vangaindrano, Midongy Atsimo ary Befotaka Atsimo) mba hitovian’ny fahalalana sy ny fomba fiasa.