π…π’ππ’π§πšπ§πš 𝐒𝐟𝐨𝐭𝐨𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 𝐊𝐚𝐨𝐦𝐒𝐧𝐒𝐧𝐚 πšπ¦π›πšπ§π’π―π¨π‘π’π­π«πš π•π¨π‘π’π¦πšπ¬π²
πŸ“11 jolay 2026
Faritra Atsimo Atsinanana- Distrikan’i Farafangana
πŸ”΅Ny Talem-paritry misahana ny Fanavaozana Atsimo Atsinanana sy ireo mpiara-miasa aminy dia nidina ifotony tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Amporoforo Distrikan’i Farafangana ny 11 jolay 2026.
πŸ”΄Niompana tamin’ny fanentanana sy fanazavana ny tsara ho fantatra mikasika ny fikaonandoham-pirenena izay izay eo ambany fitarihan’ny FFKM ary ho tanterahina eny anivon’ny Fokontany, Kaominina, Distrika, ary Faritra ato ho ato izany.
πŸ”΄Navoitra tamin’izany ny maha zava-dehibe an’ity fikaonandohampirenena ity satria iankinan’ny fampandrosoana izay miainga eny ifotony. Ilaina noho izany ny fiomanana dieny izao.
πŸ”΄Tonga nanome voninahitra izany ny Ben’ny TanΓ na sy ireo mpiara-miasa aminy, ny Lehiben’ny Boriboritany, ny Chefs Fokontany, ireo Komity mpanatanteraka ny Dina, ny Mpanjaka sns….
βœ”οΈNisy ny fametrahana fanontaniana ary dia nahazoana valiny daholo izany.
βœ”οΈKoa rehefa nazava tsara tamin’ny mpivory ny famelabelarana dia vonona izy ireo hitondra ny hetahetany rehefa tonga ny fotoana hanatanterahana izany.