πŸ“ŒAntsirabe II-Faritra Vakinankaratra | 08 Jolay 2026
π…πšπ§πšπ―πšπ¨π³πšπ§πš 𝐧𝐲 π₯𝐒𝐬𝐒-𝐩𝐒𝐟𝐒𝐝𝐒𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐒𝐀𝐚𝐫𝐚𝐀𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐒𝐟𝐒𝐝𝐒𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚
πŸ“Notanterahina ny 08 Jolay 2026 ny Sehatra Fifampidinihana teo anivon’ny CENI Antsirabe II, notarihin-dRamatoa Tonia-paritry ny Vaomieram-pirenena Mahaleo tena misahana ny Fifidianana (CENI).
🎯Nandritra izany no nanasana ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana Vakinankaratra Rtoa Rajaonarivony Tantely Nirina , ka nararaotina ihany koa ny fihaonana tamin’ireo Ben’ny TanΓ na 20 ao amin’ny Distrikan’Antsirabe II. Nifampidinihana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny fidinana ifotony ho fampahafantarana sy famporisihana ny olom-pirenena handray anjara mavitrika amin’ny Fikaonandoham-pirenena, izay hotanterahin’ny FFKM. Naneho ny fahavononany hiara-hiasa sy hanohana izany dingana izany ireo Ben’ny TanΓ na rehetra tonga nanatrika.
β™ŸοΈNandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, niarahana tamin’ny TVM, dia nohamafisin’ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Vakinankaratra fa hanohy ny fanohanana ara-teknika omen’ny Ministera misahana ny Fanavaozana, amin’ny alalan’ny Fitaleavam-paritra, ho an’ny FFKM, mba hiantohana ny fahombiazan’ny fanatanterahana ny Fikaonandoham-pirenena.
🌱 Mihamafy ny fiaraha-miasan’ny CENI, ny Ministera Misahana ny Fanavaozana, ny FFKM ary ny vondrom-bahoaka ifotony, ka manamora ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena sy ny fahombiazan’ny Fikaonandoham-pirenena.πŸ‡²πŸ‡¬πŸ‡²πŸ‡¬
#MCR#Fanavaozana