
Nidina ifotony ny 10 Jolay 2026 ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana ao Betsiboka Ramaroso Moise sy ireo mpiara-miasa ho fampahafantarana sy fampahatsiahivana ny Fikaonandoham-pirenena , niarahana tamin’ireo tompon’andraiki-panjakana, FFKM, Tangalamena, fikambanana ary tanora, ka nohazavaina ny dingana sy ny anjara andraikitry ny rehetra amin’ny Fanavaozana.