πŸ—“οΈ15 Jolay 2026
πŸ“Fianarantsoa-Faritra Matsiatra Ambony
π…πšπ‘πšπ¦π©πšπŸπšπ§π­πšπ«πšπ§πš 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 π…π’π€πšπ¨π§πšπ§ππ¨π‘πšπ¦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 π¦π¨π¦π›πš 𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐚𝐦𝐩𝐚𝐑𝐚π₯𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚
🀝 Nisy ny fihaonana niarahan’ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Rtoa Razanamahefa Stella, ny Fitaleavam-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina ary ireo Filohan’ny Fokontany ao Fianarantsoa, nampahafantarana ny fanatanterahana ny Fikaonandoham-pirenena tarihin’ny FFKM sy nangatahana ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny fanomanana sy fanatanterahana izany eny ifotony. Nisy ihany koa ny fanentanana momba ny fisorohana ny fahaverezan’olona, indrindra ny ankizy, niaraka tamin’ny fizarana afisy fanentanana. πŸ“’πŸ‘₯
βœ… Nahazo fanazavana sy torolalana ireo Sefom- pokontany momba ny andraikiny amin’ny Fikaonandoham- pirenena ary nomena fitaovana hanamafisana ny fanentanana sy ny fisorohana ny fahaverezan’olona eny anivon’ny fiarahamonina. πŸ“„πŸ€
🌱 Mihamafy ny fiaraha-miasan’ny sampan-draharaham-panjakana sy ireo tompon’andraikitra eny ifotony, ka manamora ny fanatanterahana ny Fikaonandoham- pirenena sy mampitombo ny fiarovana ny ankizy ary ny fampahafantarana ny vahoaka. πŸ‡²πŸ‡¬βœ¨
#MCR#Fanavaozana