Ny 06 Jolay 2026 no nandray ireo solontenan’ny Firaisamonim-pirenena na OSC ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana Matsiatra Ambony Razanamahefa Stella.
Noresahana nandritra izany ny fanatanterahana Fikaonandohamparitra iarahana amin’ny Fiarahamonim-pirenena, izay hotanterahina manomboka ny Talata 07 Jolay ka hatramin’ny alakamisy 09 Jolay ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony.
Fotoana iray ihany koa izay nanamafisana ny fifampiresahana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra samihafa ho fiatrehana ny Fikaonandoham-pirenena