πŸ‡²πŸ‡¬ π…π€ππŽπŠπ€π…π€ππ€ π€πŒπˆπ’𝐍𝐘 π…πŽπŒππ€ πŽπ…πˆπ’πˆπ€π‹π˜ 𝐍𝐘 πŠπ„π‘πˆπŒπ„π’πˆπ’𝐍𝐘 π…πŽπ‹πŽπ€π‹πˆππƒπ€π‡π˜
πŸ“Œ Parvis kianja BAREA
πŸ—“οΈ 13 jona 2026
Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy androany teo amin’ny tokontanin’ny Kianja Barea Mahamasina ny kerimesin’ny Foloalindahy.
Nanatrika io fotoana io ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, GΓ©nΓ©ral de corps d’armΓ©e Maminirina Ely Razafitombo, ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa, ary ny Lehiben’ny
Etamazaoro jeneralin’ny Tafika.
πŸŽͺ Ny fitsidihana ireo trano heva no nahafahana namantatra ireo
sampana samihafa mandrafitra ny Hery Fiarovana sy ny Filaminana (HFF) : ny
Zandarimariam-pirenena, ny Tafika, ary ny Polisim-pirenena. Fotoana nahitana ihany koa ny maha samy hafa ireo hery fiarovana ireo.
πŸŽ‰ Ity hetsika ity dia tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-66 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara.
πŸ“Œ Fotoan-dehibe manan-danja mampahatsiahy ny andraikitra lehibe sahanin’ny hery fiarovana sy ny filaminana eo amin’ny fiandrianam-pirenena.